Indostria : orinasa fanamboarana savony ho an’Antananarivo, fitotoam-bary ho an’Amparafaravola sy Marovoay.

  • 13 juillet 2023
Hametrahana orinasa fitotoam-bary ny ao Amparafarafaravola sy Marovoay. Orinasa mpanao savony kosa ho an’Antananarivo sy ny manodidina.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ny larobia 12 jolay 2023 ny hampiasana ny ampahany amin’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, amin’ity taona 2023 ity, mba hividianana fitaovana tekinika sy fampitaovana indostrialy mikasika ny fananganana orinasa fitotoam-bary sy orinasa mpanao savony.
Natao hanampiana ireo fitaovana nafarana izany ary efa tonga amin’ny toerana hametrahana Taninketsa Indostrialy miisa 75 manerana an’i Madagasikara.
Milina 24 hatramin’izao no efa tonga any amin’ny distrika mpahazo tombontsoa amin’ity Fandaharanasa Distrika iray Orinasa iray (ODOF) ity.
Volam-panjakana madiodio no nampiasaina tamin’izany .
Partagez :
mialy