Ho foana ny trosa tokony hefain’ny fanjakana Malagasy amin’ny QMM.

- 22 juin 2023
Trosa izay nanaovana ny fampiakarana ny renivola tamin’ny taona 2012 sy 2015 mitentina 77,2 tapitrisa dolara. Niditra fatiantoka ny orinasa tamin’ireo taona roa ireo. Rehefa mandalo an’io fatiantoka io anefa ny orinasa iray dia tokony samy mandoa vola hanarenana azy ireo manana petrabola ao. Tsy nanana an’izany ny Malagasy . Rio Tinto ihany no nanarina ny orinasa.
Raha ny tokony ho izy araka izany voafafa tsy manana petrabola ao amin’ny QMM intsony ny Malagasy raha ny fanazavana noentin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy Loharanon-karena Stratejika, Rakotomalala Olivier Herindrainy androany 22 jona.
Anisan’ny tombony lehibe ho an’i Madagasikara voarakitra ao anatin’ny fifanarahana vaovao eo amin’ny roa tonta io fanafoanana trosa io araka izany. Mijanona ho 15 % ny petra-bolan’i Madagasikara ao amin’ny QMM. Tsy mandray anjara amin’ny fampiakarana renivola intsony ny fanjakana malagasy. Ahazoan’ny Nosy » droits sociaux » 20% io petrabolany io. Manana solotena ROA anaty filan-kevim-pitantanana araka izany ny Malagasy.
Tapaka teo anivon’ny Filan-kevitry ny minisitra ny 21 jona ny hirosoana ny fanaovan-tsonia ity fifanarahana vaovao ity. Ankoatra izay mbola maro ny tombotsoa ho an’i Malagasy noho ny fanavaozana ny fifanarahana.
Nohamafisin’ny minisitra mpiahy ny Harena an-kibon’ny tany fa nanampy be tamin’ny fifampidinihina nanatontosana izao fifanarahana izao ny Filoham-pirenena.
Sissie Raveloson