Hena voalaza misy  » Formol »: miroso amin’ny fanamarinana izany ny minisiteran’ ny Varotra.

  • 10 mai 2023
Haka singa amin’ireo hena hamidy eny amin’ny mpivarotra manomboka androany ny mpanaramaso avy ao amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana. Fanampahankevitra noraisina manoloana ny vaovao miely fa misy « formol »ny hena amidy.
Hatao fitiliana any amin’ny laboratoaran’ny Rafitra mpanara-maso ara-pahasalamana ny hatsaran’ny sakafo (ACSQDA) eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny hena. Ny Zoma na Sabotsy dia ho fantatra ny valim-pitiliana.
« Raha izay tokoa moa no mitranga dia tsy maintsy enjehina araka ny lalàna izay tompon’antoka tamin’izany satria fanapoizinana ny mpanjifa izany”, hoy ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) eto amin’ny MICC, Laurencia Razanadrakoto
Manentana ny mpanjifa hitoroka sy hanome vaovao ny tomponandraikitra ny minisitera Raha misy tranga hitany mifandraika amin’izay. Toy izay koa ho an’ireo nahita ka nanely ny vaovao momba ny fisian’ny hena misy formol amidy eny an-tsena satria fandikan-dalàna koa ny fanelezana vaovao tsy marina.
Partagez :
mialy