HCC- Voka-pifidianana ofisialy: lany tamin’ny 58,96%n’ny vato manan-kery Rajoelina Andry

  • 1 décembre 2023

Ny kandida Rajoelina Andry Nirina, laharana faha 3, no lany ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana androany 1 desambra 2023.

Vato 2 858 947 no azony tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany natao ny 16 novambra teo. 58,96%n’ny vato manan-kery no azony, izany hoe nahazo ny antsasa-manilany. Tsy misy, araka izany, ny fihodinana faharoa izay novinavinaina hatao ny 20 desambra izao.

Kandida roa kosa, ankoatra izay, no nahazo mihoatra ny folo isan-jato; dia Randrianasoloniaiko Siteny, nahazo vato 697 691 (14,39%) sy ny Ravalomanana Marc, nahazo vato 586 282 (12,09%). Miverina amin’ireo kandida ireo ny anto-bola 200 000 000 Ariary narotsany tamin’ny filatsahan-kofidina.

Manamafy ny valim-pifidianana vonjimaika navoakan’ny CENI ny sabotsy 25 novambra teo, ity vokatra ofisialy navoakan’ny HCC ity, saingy nisy fiovana vitsivitsy noho ny fanafoanana vato azon’ny kandida sasany taorian’ny fitsarana ny fitoriana mifandraika amin’ny voka-pifidianana.

 

Partagez :
Romuald