HCC: naharay fitoriana 9 momba ny voka-pifidianana

  • 27 novembre 2023
Miisa 9 ny fitoriana mahakasika ny voka-pifidianana voarain’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana hatramin’izao, hoy ny sekretera jeneralin’ny HCC, Ranesa Firiana.
Tapitra anio alina ny fametrahana fitoriana mahakasika ny voka-pifidianana na ny « contentieux des résultats », izay efa nisokatra nanomboka ny andro namoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika.
Ny fifanolanana momba ny zotram-pifidianana na ny « contentieux des opérations » kosa dia efa nikatona ny sabotsy 25 novambra 2023, izay andro namoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika.
Partagez :
Natacha Hasimbola