Spread the love
Handatsaka orana artifisialy eto Antananarivo ny fitondram-panjakana mandritra ny efatra andro manomboka anio 24 novambra.
Tanjona ny hampiakarana ny rano ao amin’ny reniranon’Imamba izay mamatsy rano ny faritra avaratr’Antananarivo, ny reniranon’i Sisaony mamatsy ny faritra Atsimon’Antananarivo. Eo koa ny fampiakarana ny rano ao Andekaleka izay ivon’ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo.
Feno ny fepetra hanatanterahana izany mandritra ireo fotoana ireo raha ny nambaran-dRazafinjatovo Herilalaina, tomponandraikitra eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny famantarana ny toetr’andro.
Tsiahivina fa ny 11 hatramin’ny 13 novambra lasa teo, dia ny tao Fianarantsoa no nisitraka rotsak’orana artifisialy namahana ny olan’ny famatsian-drano tao an-toerana. Vinavinaina ho tanterahana manerana an’i Madagasikara ny fandatsahana orana artifisialy, andrasana ny fahafenoan’ny fepetra. Mitarika izany ny minisiteran’ny Rano, Fidiovana, Fanadiovana sy ny orinasa Jirama ary ny sampandraharaha misahana ny famantarana ny toetr’andro.
Feno ny fepetra hahafahana mandatsaka orana artifisialy

Laisser un commentaire