Haintrano Behoririka : hamoraina ny fanamboarana ny atontan-taratasin’ny mpivarotra

- 24 octobre 2023
Ankoatra ny entana sy ny vola dia anisan’ny may nandritra ny haintrano teo Bahoririka ny antontan-taratasy maro izany mahakasika ny asa sy ny fiainan’ireo mpivarotra.
Manoloana izany dia hamoraina ny fanamboarana sy ny fanavaozana izany mba ahafahan’izy ireo hanohy ny asany ao anatin’ny ara-dalana. Izany no toky nomen’ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana eto Analamanga, Natolotriniaina Herizo Fanomezantsoa nandritra ny fidinany teny an-toerana.
Miampy ny Tsena Maitso dia ny 90%-n’ireo toeram-pivarotana manamorona ny ranon’i Behoririka, izay naintombohan’ny ny afo no kila. 10 amin’ireo trano hazo fivarotana 206, izay saika fivarotana kapa avokoa, no sisa tsy may, araka ny tarehimarika avy amin’ny Lehiben’ny tsena eo Behoririka.