Taorian’ny voina nahazo ireo olona an-jatony may trano tao Soanierana Ivongo ny 24 desambra teo dia tonga nanolotra fanampiana, toy ny sakafo sy kojakoja ilaina andavanandro ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny BNGRC, niaraka tamin’ny fiadidiana ny faritra Analanjirofo.
Vary 7,5 taonina, voamaina 3 taonina miampy menaka sy savony no natolotra ho an’ny tra-boina. Eo koa ny fanomezana tohana vary 5 kilao sy voamaina 3 kilao miampy menaka 1 litatra sy savony isana olona, isanandro, ho solon-karama amin’ny fanadiovana ny Bazary ao Ambinany Soanierana Ivongo, izay ravan’ny afo tanteraka.
Maharitra 3 andro ny asa fanadiovana. Aorian’izay no manomboka ny fanorenana ao anatin’ny fanajana ny fenitra fandaminana ny tanàn-dehibe.
Ankoatra izay, nahazo lelavola 1 000 000 Ariary ireo vatan-dehilahy nibata ny razana tamin’ny loza an-dranomasina tamin’ny faharendrehan’ny sambo Francia III, ho fanasan – tanana. Notoloran’ny minisitry ny Mponina Soafilira Princia vola 2 000 000 ariary koa, nandritra izany, ny fikambanam-behivavy ao Soanierana Ivongo.
Tsy nohadinoin’ireo tomponandraikitra ireo ny nankahery ny vahoaka tra-boina tamin’ity loza nahamaizana sy naharava trano maherin’ny telonjato sy namoizana fananana maherin’ny 5 miliara Ariary ity.