Nahavitana namokatra “gel disinfectant” 9127 flacons sy “solution hydro alcoolique” 10 873, arontava 5670, “visière” 1000, savony (savon à usage unique) 379 kg, peta-drindrina 1500, kalandrier 500, “flyers” 600 ny tetikasa FOFIFA miara-dalana amin’ny tantsaha mpamokatra, miady amin’ny Covid-19, notontosain’ny Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (FOFIFA), notohanan’ny Fondation OCP Maroc.
Fikambanana vehivavy tantsaha tamina faritra 5 (Vakinakaratra, Itasy, Bongolava, Alaotra Mangoro, Atsinanana) no nomena fitaovana sy nofanina tamin’ny famokarana azy ireo. Samy nahavitana fanentanana tamin’ny alalan’ny zava-maneno mitety tanàna momba ny fisorohana ny Coronavirus avokoa ireo faritra 5 ireo. Nanamafy ny mpisitraka ny tetikasa fa sady voaro tamin’ny aretina ny mponina tamin’ny tanàna manodidina azy ireo no nivoatra koa ny fiainany satria sady nahazo traikefa amin’ny fanjairana no nampidi-bola tamin’ny fivarotana ny vokatra azo.
Nambaran’ny tale siantifikan’ny FOFIFA nandritra ny famaranana tamin’ny fomba ofisialy ity tetikasa ity androany fa fahombiazana no azo ary mbola afaka manohy ny fampiasana ny fitaovana ampiroboroboana ny fihariany ny vehivavy tantsaha nisitraka ny tetikasa. Naharitra 2 taona ny tetikasa. Votoatin-draharaha tao anatin’izany ny famokarana gel disinfectant sy savony ampiasaina indray mandeha, fanomezana fitaovana sy fanofanana fikambanana vehivavy tantsaha amin’ny famokarana arontava sy visière, fanentanana amin’ny fiarovan-tena amin’ny Coronavirus amin’ny alalan’ny fandaharana amin’ny radio (radio 3 amin’ny faritra samihafa), fizarana peta-drindrina ary fanentanana amin’ny zava-maneno mitety tanàna.