Hanome tolo-tanana an’i Madagasikara ny firenena Indiana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao izay tafiditra anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana. Miara-miasa amin’ny sehatra maro ny masoivohon’i Inde sy Madagasikara ka isan’ny goavana ao anatin’izany ny sehatry ny fizahantany. Miisa 28 tapitrisa ireo mpizahantany nivoaka ny firenena Indianina nizaha tany any amin’ny firenen-kafa araka ny nambaran’ny Masoivohon’i Inde, Bandaru Wilsonbabu, ary azon’i Madagasikara atao tsara ny misintona azy ireo ho tonga eto. Tsiahivina fa ny tanjona dia ny hanatratra ny mpizahantany 1 tapitrisa ao anatin’ny 4 taona.
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana ny Masoivohon’i Inde androany ary nandritra izany no nanambarany fa vonona hiaraha-hiasa amin’ny minisitera ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny Kolontsaina any Inde. Nampanantena koa ny tenany fa hitondra mpampiasa vola eto hahafahana manangana ny trano fandraisam-bahiny manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary hanampy amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany any amin’ny Lakan-dranon’i Pangalana. Eo koa ny fampiroboroboana ny fizahantany amin’ny alalan’ny sambo lehibe mpizahantany eto Madagasikara.
Ankoatra izay dia tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Indiana noho izy mamokatra fiaramanidina ahitana seza 19 izay mety ampiasaina amin’ny fifamoivoizana anatiny eto an-toerana. Hanao hetsika ny masoivohon’i Indianina sy ny minisiteran’ny Fizahantany ho fiaraha-miasa eo amin’ny famokarana horonantsary miaraka amin’ny Bollywood eto an-toerana ka any Morondava sy Nosy be Hell-ville no hanaovana izany.
Voaresaka nandritra ny fihaonana ihany koa fa hamoraina ny fivezivezen’ny Malagasy any Inde ary nampanantena ny masoivohon’ity firenena ity fa 2 andro dia hivaly ny “Visa” ary tsy hananosarotra ny fahazoana azy. Azon’ny Malagasy atao tsara araka izany ny manao fizahantany ara-medikaly any. Eo koa ny fitondrana ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny asa tanana any New Delhi izay ho tanterahana ny volana febroary 2025.