Sehatra telo no nasongadin’ny Fitsarana momba ny kaonty tamin’ny tatitra ampahabemason’ny fitsirihana nataony nandritra ny taona 2021 tetsy amin’ny Fitsarana Tampony Anosy androany.
Tao ny momba ny fampiasam-bola ao amin’ny ARTEC (Autorité de Régulation des Technologies de Communication de Madagascar), ny fampiasana ny tamberim-bidy naloan’ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, toy ny Ambatovy sy CrafMada, eo koa ny vokatry ny fanaraha-maso ny tolo-kevitra nomen’ny fitsarana momba ny kaonty mikasika ny fampiasana ny AUGURE, izay rindrankajy entina anatsarana ny fitantanana ny mpiasam-panjakana. Mikasika ny ARTEC manokana dia nisongadina ny tsy fahampianan’ny ezaka fampidiram-bola ao aminy, noho izy mionona amin’ny fanambarana ataon’ny mpandraharaha fotsiny. 39%n’ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra ihany no manao fanambarana. Noho izany, tafakatra 55 milliara ariary ny trosa tsy voaangona , raha 29 miliara ariary izany tamin’ny 2016. Ankoatra izay, tsy voahaja ny fahaleovan-tenan’ny ARTEC amin’ny fitantanam-bola. Anisan’izany ny fizakany ny ampahan’ny fandaniana ho fampandehanan-draharahanan’ny ministrean’ny Paositra sy Fifandraisan-davitra sy ny tetibola tovana. Mahatratra hatrany amin’ny 1,7 miliara ariary isan-taona izany. Ankoatra izany ny fisiana tsenam-barotra tsy manaja ny fepetra apetraky ny lalàna, izay mahavery vola an-tapitrisany maro. Nambaran’ny fitsarana momba ny kaonty araka izany fa mila havaozina ny didy aman-dalàna mba hahafahana manendry mpitantambolam-panjakana ao amin’ny ARTEC.
Momba ny fitantanana ny tetibolany sy ny lelavola enti-mampandroso ny fifandraisan-davitra (Fonds de développement de télécommunication et tic na FDTIC) indray dia nisongadina ny fisian’ny fandaniana tsy mifanaraka amin’ny antom-pisiany. Nahatratra 397 tapitrisa ariary amin’ny vola 30 miliara nivoaka ny taona 2019, izany hoe 1,30% no tafiditra natin’ny fandaniana tsy mifanaraka amin’ny antom-pisian’ny FDTIC. Nambaran’ny Fitsarana momba ny kaonty fa tsy voahaja ny lalàna mifehy ny fandaniam-bolampanjakana amin’ny fampiasana io FDTIC io. Anisan’izany ny tsy fisian’ny porofo manamarina ny fahavitan’ny asa, fitanana an-tsoratra ny fandraisana ny entana na ny asa. 47 tamin’ny asa 58 no tsy nahitana ireo porofo rehetra ireo. Vokatry ny fitsirana ny fampidirana sy fitsinjarana ary famindrana ny tamberim-bidy azo amin’ny harena ankiboan’ny tany ho an’ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (CTD), izay fitsirihana natao ny taona 2016-2019, tamin’ny faritra Alaotra mangoro sy Atsinanana, taman’ny alalan’ny vola ampidirin’ny tetikasa Ambatovy sy CrafMada dia misy tsy fahatomombanana maromaro hitan’ny Fitsarana momba ny kaonty.
Anisan’ny soso-kevitra nomen’ny Fitsarana momba ny kaonty hanarenana azy ireo ny tokony hanomezana fampitaovana ny sampan-draharaham-panjakana miandraikitra ny fanaraha-maso ny harena an-kibon’ny tany, ny tokony hitsinjarana any amin’ny kaominina sy ny faritra ny 90%n’ny tamberim-bidy, tafiditra ao ny anjaran’ny faritany izay rafitra mbola tsy misy, eo koa ny tokony hanofanana ny mpitam-bolan’ny CTD mba hanoratra ny kaontin’ny vola niditra tao aminy anaty boky tokana.
Eo amin’ny tontolon’ny fitantanana ny mpiasam-panjakana, dia mbola nahatratra 160 miliara ariary isan-taona ny vola very amin’ny fandoavana karamana mpiasam-panjakana sy fisotroan-dronono. Tolo-kevitra 93 no natolotry ny Fitsarana momba ny kaonty. Anisa’izany ny hamporisihana ny minisitera roa tonta (minisiteran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola ary ny minisiteran’ny asa sy ny fampanana asa, ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy), izay tsara, ho yizy ireo, raha tantanana miaraka amin’ny fiadidiana ny primationa, mba hametraka komity mpanara-maso ny fanatanterahana ny tolo-kevitry ny Fitsarana. Tanjona ny hahafahana manadio izany sy mapitsahatra ny vola very ary hijerena ny fanapahan-kevitra ny anenjehana ny tompoandraikitra main’izany lesoka izany.