Ambany ny tahan’ny vokatra trondro any amin’ny faritra Bongolava na dia be aza ny tanimbary sy farihy azo iompiana.
12 tone isan-taona ny vokatra miakatra ho an’ny mponina 700 000 anatin’ny faritra , ary trondro avy any Itasy no mameno ny filana. Vonona hampiroborobo ity seha-pihariana ity ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga, miaraka amin’ny tomponandraikitra maro any ifotony . Hisy ny fanofanana sy tan-tsoroka tekinika ary ny fampitaovana miampy zana-trondro .
Notoloran’ny minisitra Mahatante Tsimanaoraty Paubert fanamarinam-piofanana ireo 17 mianadahy nahavita fiofanana momba ny fiompiana trondro .
Mbola malalaka ny tsena hoy ireo mpiompy ary maniry ny hitohizan’ny fiahiana sy fanohanana izy ireo .Vonona amin’ny fanomezana tolo-tanana hampitomboana ny famokarana fiompiana trondro amin’ny ireo tantsaha ny Minisitera, hoy ny minisitra tamin’ny fitsidihana ofisialy nataony tany amin’ny faritra Bongolava ny 30 oktobra .
Jennifer Rabarison