Filoha Andry Rajoelina : nanao antso ny hampitomboana ny famatsiam-bola ny fotodrafitrasa miahy ny tontolo iainana aty Afrika

- 23 juin 2023
Nandray anjara tamin’ny dinika an-databatra boribory momba ny fotodrafitrasa maitso aty Afrika (Alliance pour les infrastructures vertes en Afrique -AGIA) ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tolakandron’ny alakamisy 22 jona 2023 any Paris. Hetsika izay nelanelanin’ny filohan’ny BAD, Akinwumi Adesina ary nahitana ny fandraisana anjaran’ny filohan’i Comores, Ghana, Mauritanie sy ny Praiminisitr’i Côte d’Ivoire. Tanjona ny hitadiavam-bahaolana mahomby amin’ny fahazoana famatsiam-bola indrindra ho an’ny nosy marefo toa an’i Madagasikara.
Nohamafisin’ny Filoham-pirenena nandritra ny anjara fitenenany ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro teto amin’ny Nosy. Nambarany koa fa efa manao ny ezaka rehetra ny Fitondram-panjakana malagasy amin’ny fampiasana ireo fotodrafitrasa miahy ny tontolo iainana. Tafiditra amin’izany ny fotodrafitrasa mamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina, toy ny tetikasa Volobe sy ny tetikasa Sahofika izay hanampy 320MW amin’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara.
Notsipihin’ny filoha Andry Rajoelina koa fa i Madagasikara no anisan’ny firenena afrikana voalohany nankatoa ny politika nasionaly momba ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy nahavita nandrafitra ny « Plan National d’Adaptation ». Nanao antso avo ny AGIA araka izany ny izy ny hampitomboana ny famatsiam-bola ho an’ny fotodrafitrasa miahy ny tontolo iainana aty Afrika. Nampahatsiahiviny koa ny trosan’ireo firenena lehibe tena mpandoto tontolo iainana izay mitentina hatramin’ny 100 miliara dolara izay mbola tsy voaloa ankehitriny.