Spread the love

Fametrahana ny rafi-pitantanana: “tsy fandokafana na fanangonan-tsonia no mibaiko ny fanendrena minisitra… fa traikefa sy fahaiza-manao”, hoy ny filoha Andry Rajoelina

Miandry ny anarana telo atolotry ny Vondrona politika maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena, ankehitriny , ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, hirosoany amin’ny fisafidianana sy fanendrena ny Praiminisitra. Aorian’izay no hanao ny sivana sy fanolorana ny mpikambana amin’ny Governemanta ny praiminisitra. “Tsy fanaovana dokambarotra olona amin’ny tambajotran-tserasera na fanangonan-tsonia no mibaiko ny fanendrena. Fa kosa fametrahana olona iray manana fahaiza-manao sy fanatanterahana ny vinana asa apetrantsika amin’ny fampandrosoana ny firenena. Ary indrindra ny fametrahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena , izay nokatsahintsika hatrany”, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny lahateny famaranana ny taona 2023.

Lehibe loatra, hoy izy, ny vina apetratsika, ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Koa mitaky fepetra hentitra ny fanendrena ny minisitra, satria mila vokatra haingana sy azo tsapain-tanana ny vahoaka malagasy. Mila olona vonona ny fanatanterahaka ny tetikasa napetraka, manolo-tena ho an’ny firenena, hanompo ny vahoaka malagasy, tsara sitrapo, mahitsy ary miasa haingana, fa indrindra manana ny traikefa. Vonona hiara-hiasa amin’ireo mahafeno izany fepetra izany ny tenako, hoy ny filoha. Hotanterahina ao anatin’ny fahamendrehana tanteraka izany dingana rehetra fametrahana ny rafi-pitantanana izany, ary andrasana ao anatin’ny fitoniana ny Governemanta vaovao, hoy hatrany ny filoha Andry Rajoelina.

Tsiahivina fa ny alarobia 20 desambra 2023, fotoana nanaovana Filan-kevitry ny minisitra voalohany taorian’ny fianianan’ny filoha Andry Rajoelina, no nametra-pialana ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ao anatin’ny fampandehanan-draharaha andavanandro ny minisitra tsirairay hatramin’ny fotoana hitsanganan’ny Governemanta vaovao. Nambaran’ny filoha tao anatin’ny lahateniny fa ilana fitoniana ny fampandrosoana ny firenena. “Tsy hitondra fampandrosoana ny korontana, ary tsy hitondra soa na hoviana ny ratsy. Ho hentitra ny fepetra horaisina ho an’izay minia misakana ny fampandrosoana eto amin’ny firenena. Raisiko ho adidy kosa ny mampiray ny Malagasy rehetra tsara sitrapo mba hiarahana mikatsaka ny tombontsoa ambonin’ny firenena.”

By Romuald

Laisser un commentaire