Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny androany 22 novambra ary hitohy hatramin’ ny Alarobia izao, ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Filan-kevitra monisipaly.
Lohahevitra 5 no dinihina mandritra ny hateloana ka voalohany amin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Nutri zaza. Ny Fampianarana sy fanofanana tanora iarahana amin’ny “ Région de Bretagne – France” ny faharoa. Ny fanavaozana ny Tsena Kaominaly eny Ambilanibe, ny mikasika ny tanin’ny kaominina eny Antsahabe sy Ilafy ny fahatelo. Fanapahana momba ireo fitaterana maoderina haorina eto an-dRenivohitra ny fahefatra, ary fanazavana mikasika ny tetibolan’ny Kaominina ny fahadimy farany.
Nanokatra sy nitarika ny fotoana teny an-toerana ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Naina Andriantsitohaina sy ny filohan’ ny Filan-kevitra monisipaly, Ralitera Andriamparany. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Ben’ny Tanàna no niresahany mahakasika ny fotodrafitrasa momba ny rano, fahazoana fitaovana fanamboaran-dalana vaovao, fametrahana jiro amin’ny toerana maro samihafa eto an-dRenivohitra ary ny tatitry ny diany tany Inde.
Michel.