Fihaonam-be Iraisam-paritra momba ny Fiarovana sy ny fahandriampahalemana andiany voalohany andraisan’ny faritra Melaky, Atsimo Andrefana, Bongolava sy Vakinakaratra anjara.

  • 26 juillet 2023

« Tsy andraikitry ny mpitandro filaminana irery ny fitandroana ny filaminana fa andraikitry ny vahoaka koa .  Endriky ny fitandroana ny fandriampahalemana ny tsy firaisana tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy ». Io no anton’ity Fihaonambe   Iraisam-paritra andiany voalohany izay tanterahana ny 3 sy 4 aogositra ho avy izao any Morondava ity.

Hiara- hiresaka ny zava-misy sy hamoaka ny heviny enti-miady amin’ny tsy fahandriampahalemana ny vahoaka, ny mpamboly, ny mpandrahara ary ny tomponandraikim-panjakana rehetra isan-tsokajiny. Vahaolana maharitra sy paikady mahomby hipaka any amin’ny vahoaka no heverina hivoaka mandritra ny roa andro. Hisongadina amin’ny dinika hiarahana hanao ny fitantanana ny « limitrophe » hitambaran’ny faritra roa.

Kendrena amin’izao koa ny fanatsarana ny fandraharana amin’ny faritra  »  Mila fahatokisana ireo mpandrahara, mila fanampiana, mila mahatoky fa mandray anjara amin’ny fiarovana azy ireo ny fanjakana ». Eo koa ny fandrindrana ny asa satria rehefa miresaka fandriampahalemana dia misy ny fisorohana ary misy ny fanenjehana.

 

Anisan’ny teboka lehibe indrindra horesahana koa ny fifidianana.

« Mila fandriampahalemana ny vahoaka, mila filaminana, ahafan’ny  mifidy am-pilaminana ny olona tiany hitondra » hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Josoa Rakotoarijaona

Lasitra ho ampiasaina amin’ny fitandroana ny filaminana manerana ny faritra rehetra ny hevitra hivoaka amin’ity fihaonana ity.

Voalohany eto Madagasikara no hisy fikaonan-doha hifandrombonan’ny faritra rehetra izay voakasiky ny tsy fahandriampahalemana.Nosafidiana manokana ireto faritra 4 ireto noho izy ireo mafampana amin’ny resaka tsy fahandriampahalemana.

Partagez :
Sissie Raveloson