Fifanarahana vaovao QMM/ Madagasikara: 13 tapitrisa dolara hanadiovana Rano

- 22 juin 2023
Noraisina an-tanana manokana ao anatin’ny fifanarahana vaovaon’ny orinasa QMM sy Madagasikara ny resaka fikirakirana ny rano maloto ateraky ny tetikasa. Tapaka fa hanokana vola mitentina 13 tapitrisa dolara hanadiovana rano ity orinasa ity.
Anisany niteraka fifandonana teo amin’ny mponina samy mponina ny rano maloto nateraky ny fitrandrahana ao Mandena Faradofay. Tanjona ny hanena farak’izay tratra ny voka-dratsy mety hateraky ny rano efa nampiasaina amin’ny mponina.
Hitarina ny fanadiovana rano efa misy. Raha 450 à 600 m3 ny rano voadio isan’ora dia ho lasa 1500 hatramin’ny 2000 isan’ora izany ny rano voadio. Tafiditra anatin’ny tetikasa “ Rainy Season Release Readiness” ny fanatsarana ny rano ampiasaina ivelany sy anatin’ny fitrandrahana ao an-toerana.
Tsy maintsy mamoaka ny tatitra » rapport de synthèse et consolidation des résultats d’analyses des eaux usées et autour de la mine de Mandena » izay nataon’ny Rafi-pahefana Nasionaly misahana ny rano sy ny fanadiovana (ANDEA) niarahana tamin’ny QMM tamin’ny volana may 2022 ny fanjakana.