Fifanarahana momba ny jono amin’ny Vondrona Eoropeanina: ny volana jolay izao no hamaranana ny dingana ahafahana mampihatra azy.

- 16 mai 2023
Ny voalohandohan’ny volana jolay izao no hanaovana sonia ny dingana farany amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana momba ny jono lamatra eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina, hoy ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, androany 16 may 2023. Tafiditra amin’ny ambaratonga tsy maintsy lalovana io, hoy ny fanazavany.
Ny « Accord de pêche » amin’ny Vondrona Eoropeanina, izay efa tapaka tao anatin’ny 4 taona ary nohavaozina taty amin’ny faramparan’ny taona 2022. Raha 8 tapitrisa Euros, miampy tohana ho an’ny sehatry ny jono 750 000 Euros no tombony azon’i Madagasikara teo aloha, dia hiakatra ho 12 tapitrisa Euros mahery izany amin’ity fifanarahana vaovao ity, miampy ampaham-bola 1 100 000 Euros isan-taona ho fanohanana ny sehatry ny jono manokana.
Hahazo tombony mivantana ny mpanjono madinika sy ny mpiompy trondro amin’ity fifanarahana ity, hoy ny minisitra. Hampiakatra ny tahan’ny fihinanana trondro eto amin’ny Nosy koa ny ezaka atao rehetra amin’ny fanofanana sy fampitaovana samihafa, hoy izy. Raha 4.26 izany tahana fihinana trondro izany teo aloha dia tombanana hiakatra ho 5kg/olona isan-taona.
mialy