Fiarovana ny mpanjifa : Tsy nahitana “formol” ireo hena natao fitiliana.

  • 12 mai 2023
« Tsy nahitana formol ireo hena natao fitiliana » hoy ny dokotera Andrianjaka Razafinarivo, Talen’ny Rafitra mpanara-maso ara-pahasalamana ny hatsaran’ny sakafo (ACSQDA) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka androany 12 may tetsy Ambohidahy.
Nifanampy tamin’ny famoahana ny valin’ny fitiliana natao tamin’ireo singa nalaina teny amin’ireo mpivaro-kena teny amin’ny tsena samihafa teto Antananarivo androany ny avy ao amin’ny ACSQDA, ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) ary ny Codex Alimentarius.
Nilaza ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjijfa (DPC) eo anivon’ny MICC, Laurencia Razanadrakoto fa atolotra ny Fitsarana avy hatrany izay tratra manisy “formol” ny hena satria sokajiana ho fanapoizinana izany ary heloka bevava.
Nanentana ny tompon’andraikitra hanohy hatrany ny ezaka sy hanamafy ny fanaraha-maso koa ny filohan’ny Komity Nasionaly Codex Alimentarius, Dr Ilo Tsimok’Haja Ramahatafandry, ny mpivarotra mba tsy ho alaim-panahy hanandrakandrana, ary ny mpanjifa mba hanjifa ny hena madio misy fitomboky ny mpanara-maso hatrany.
Partagez :
mialy