Fiarovam-pirenena: handray zazavao 4 000 hilatsaka an-tsitrapo ny Tafika.

- 4 mai 2023
Handray tanora zazavao miisa 4 000 hilatsaka an-tsitrapo ny tafika malagasy amin’ity taona 2023 ity, araka ny tapaka tao amin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 3 may 2023. Hanao fifanarahana mandritra ny 2 taona, manomboka ny 1 aogositra izy ireo.
Tsy mandray karama izy ireo mandritra izany fa iantohana feno ny fampiantranoana sy ny sakafo, araka ny voalazan’ny didim-panjakana manome alalana ny Tafika malagasy hampiditra zazavao mpilatsaka an-tsitrapo.
Tanjona ny hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
mialy