Fiangonana tranovato anaty Rova : kihon-dalana lehibe nanova ny tantaran’ny tao trano sy ny finoana

  • 18 juin 2023

Taorian’Andrianjaka, samy nanangana lapa avokoa ny mpanjaka nifandimby teo amin’ny Rovan’i Madagasikara nanomboka teo amin’Andrianampoinimerina. Ho an-dRanavalona II kosa famonosana rarivato ny Lapan’i Manjakamiadana, ny taona 1869 sy fanorenana fiangonana tranovato anaty Rova no nataony.

Fady ho an’ny mponina teto Imerina ny fanorenana trano amin’ny akora mafy toy ny vato. Rehefa avy natao Batisa sy nanamasina ny fanambadiana kristianina protestanta anefa izy sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony vadiny dia nampanorina ny fiangonana tranovato izy ireo ny taona 1869. Niarahana tamin’ny misioneran’ny « London Missionary Société  » LMS izany. I William Pool no mpahay maritrano nanao azy.

Nanomboka teo dia niverina nalalaka ny fivavahana kristianina teto Madagasikara rehefa nenjehina sy novonoina ho faty izay tratra nivavaka tamin’ny andron’ny mpanjaka Ranavalona I.

Mikasika ny trano indray dia teo aloha ny fahitan’ny mpanjaka fa nangozohozo ny Lapa hazo. Teo koa ny fisiana haintrano lehibe teto Antananarivo araka ny filazan’ny mpahay tantara. Nanosoka ny mpanjaka handray fanapahan-kevitra main’ny falpanorenana trano vato na trano biriky izany .

Toy izao ny kopian’ny teny napetraky ny mpanjaka Ranavalona II anatin’ny vato fehizoro amin’ny Trano Fiangonana ao anaty Rova

“ Noho ny herin’Andriamanitra sy ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo, Izaho Ranavalo-manjaka, Mpanjakan’i Madagasikara no nanorina ity Trano Vato Fivavahana ity tamin’ny 13 Adimizana (20 juillet) 1869 ho trano fivavahana sy ho fiderana ary hanompoana an’Andriamanitra, Mpanjakan’ny Mpanjaka ary Tompon’ny Tompo araka ny teny ao amin’ny Soratra Masina amin’ny alalan’i Jesosy kristy Tompo izay maty noho ny heloky ny olona rehetra ary nitsangana indray ho famarinana sy famonjena izay rehetra mino sy tia Azy.

Koa noho izany, dia tsy azon’olombelona ravana ity Trano Vato naoriko ho trano Fivavahana ity, na iza na iza Mpanjaka amin’ity Taniko ity, mandrakizay, mandrakizay; dia tsy manjaka amin’i Madagasikara taniko.

Koa amin’izany, izaho dia manao sonia ny anarako tamin’ny tanako eto sy kasen’ny fanjakako.

(Sonia) Ranavalomanjaka, Mpanjakan’i Madagasikara.

Marina ity teny ity ary sonian-tanan-Ranavalomanjaka Mpanjakan’i Madagasikara tokoa io

(sonia) RAINILAIARIVONY Prime Minister sy Commander-in-Chief amin’i Madagasikara

Partagez :
Romuald