Nametraka paikady ara-teknolojia manaraka ny fenitra any ivelany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hahafahana miatrika ny mety ho fahatapahan’ny fampianarana vokatry ny Covid-19.
Miompana amin’ny fanamafisana ny fampianarana avy amin’ny aterineto ity paikady ity. Ahitana ireo fandaharam-pianarana isa-tsokajiny ary azo tsidihina anaty tranonkala manampy ny mpianatra sy ny mpampianatra.
Nisy araka izany ny fifaninanana nokarakarain’ny minisitera ho famolavolana antontankevitra ary famokarana vontoatim-pahalalana azo tsidihina avy amin’ny tranonkalan’ny minisitera entina manampy ny mpianatra sy ny mpampianatra. Navadika tahirin-kevitra ara nomerika ireo vontoatim-pahalalana ; hapetraka ao anaty tranonkala ary azon’ny rehetra tsidihina.
Nozaraina #Raspberry Ireo mpifaninana mendrika hanamora sy hanatsara ny fampidirana ireo vontoatim-pahalalana ao anaty tranonkala.
Voalaza fa miisa 220 ireo mpifaninana avy amin’ny faritra 14 , ka miisa 70 ireo nahafeno ny fepetra rehetra ary notolarana loka. Lelavola mitentina 1 tapitrisa ariary no azon’ny laharana voalohany, 600.000 ariary ho an’ny faharoa ary 200.000 ariary ho an’ny fahatelo.