Faritra Ihorombe: nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny famokarana ny atirano andiany faharoa

  • 14 juin 2023
Nosokafana tamin’ny fomba ofiasily tao Ihosy, faritra Ihorombe, androany 14 jona ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fampamokarana ny atirano andiany faharoa, izay niarahana tamin’ny Ministry ny Jono sy ny Toekarena manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Mandritra ny telo andro no hanaovana ny fankalazana . »Fampiroboroboana ny asa manga amin’ny alalan’ny fampamokarana ny atirano » no lohahevitra entina nanamarika izany.
Tonga nanotrona ny lanonana ny Governoran’ny Faritra , ny mpanolon-tsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ireo tompon’andraikitra maro tany an-toerana ary ireo tale isan-tsokajiny avy ao amin’ny ministeran’ny Jono.
Maro ny tanjona hotratrarina, toy ny famerenana ny lazan’ny fiompiana trondro ao an-toerana indrindra ny fiompiana ny karpa ary ny fampitomboana ny tahan’ny fihinanan’ny malagasy trondro. Eo koa ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy hanomezana asa mendrika ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny fiompiana trondro.
Teo koa ny fanaovana fanentanana maro isan-karazany anisan’izany ny sombintantara mahakasika ny fiompiana trondro nentin’ny tanora avy amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Partagez :
Mahandry