Spread the love

“Ho fianatra hatrany”. Io no teny filamatry ny fandaharan’asa FORMAPROD izay misahana ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra nandritran’ny 9 taona tao amin’ny faritra Analanjirofo.

Tanjon’ny fandaharan’asa ny hanavao sy hanatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpamokatra indrindra ny tanora 14 taona hatramin’ny 19 taona  amin’ny alalan’ny fampiofanana ireo tanora tantsaha, ho lasa mpamokatra, teknisiana , mpandraharaha matianina  ahafahan’izy ireo manampy ireo tantsaha sy hananan’izy ireo fahaleovan-tena.

Maro ireo tanora nisitraka ny fampiofanana tao amin’ny distrika 6  ka ny 10 420  tamin’izy ireo no niofana momban’ny fambolena raha toa ka nisitraka tohana ara-pitaovana ny  2860.  Misy koa ireo tanora nofanina sy notohanana izay misa 4 810. Misy tamin’izy ireo koa no mpamokatra voaofana tamin’ny alalan’ny CEP (Champ Ecole Paysan) na Saha Sekoly, miisa 3 260 ; ary mpamokatra notohanana taminy alalan’ny Tetikasa madinika miisa 1600.

Foto-drafitr’asa maro no vita tao amin’ny faritra Analanjirofo. Anisan’izany ny barazy izay mahatondraka velaran-tany 618 ha ,  ny lalana , ny trano fiofanana miisa 20, trano fitahirizam-bokatra 11 ary  trano fanodinam-bokatra 4 ka ny roa amin’ireo dia efa hari-fitaovana manaraka ny fenitra.Hita fa azo tsapain-tanana  sy mahavelom-bolo ny vokatra azo izay manaraka ny filàn’ny faritra fa indrindra eo amin’ireo tanora voahofana . Heverina fa ho lasa tanora tsara fianatra  tokoa ireto tanora ireto ka hampiroborobo ny fihariana sy ho modely ka hampita amin’ny hafa ny traikefa sy ny fahaiza-manao ananany mba ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.

Omaly 22 novambra 2023 no notanterahina tao Fenoarivo atsinanana ny atrikasa fanaovana tombana sy ny famaranana ny fandaharanasa FORMAPROD izay natrehan’ny Governoran’ny Faritra Analanjirofo Randriamanantena Marcellin. Nisy  koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka ary nofaranana tamin’ny fizarana mofomamy ho fahatsiarovana ny tantara mamy napetrakin’ny fandaharanasa

Tsiahivina fa ny FORMAPROD dia fandaharanasa eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolana sy ny Fiompiana ka ny FIDA sy ny Fitondram-panjakana no mamatsy vola mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo izay tanjona lehibe napetraka.

Laisser un commentaire