Fanomanana ny lalaon’ny Nosy : taranjam-panatanjahantena efatra nahazo fampitaovana

  • 16 mai 2023
Taranja ara-panatanjahantena efatra no notoloran’ny fitondram-panajaka fampitaovana ilaina amin’ny fanazaran-tena sy fifaninanana rehetra androany 15 may. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny firenena malagasy amin’ny firenena sinoa no nahazoana izany. Tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina no nanaovana ny lanonam-panolorana. Ny taranja atletisma, fibatana fonjamby, tenisy ambony latabatra ary ny badminton no nisitraka izany androany.
Anisan’ny antony nahatonga izao fampitaovana izao ny fisian’ny fihaonana teo amin’ny filohana federasionina sy ny filoham-pirenena, herinandro lasa izay, nikarohana paikady ahafahana manampy ny atleta amin’ny fanomanana ity andian’ny faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy hatao eto amintsika ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra ity.
Nambaran’ny filoha Andry Rajoelina fa “niomana isika, ary mbola hiomanana bebe kokoa amin’izany lalaon’ny Nosy izany. Ny tanjotsika dia handrombaka fandresena ary ho voalohany amin’io lalao io. Matoky anareo atleta izahay matoa manampy ary fantatray fa handresy ianareo”. Ao anatin’ny fanomanana ny fandefefasana atleta miisa 51 any Chine koa ny tomponandraikitra amin’izao.
▶️ Hanampy ireo atleta amin’ny fanomanan-tena ireto fitaovana ireto. “Tsy afaka mampitombo ny herijikanay izahay noho ny faharatsian’ny kianja ao Alarobia. Vao manao fanazaran-tena mafimafy dia marary ny vatana indrindra ny tongotra. Efa nahazo ny kianja Barea sy ireto fitaovana vaovao ireto izahay, izay afaka hanampy anay amin’ny fampiakarana ny traikefa. Ambony araka izany ny tokin’ainay ato amin’ny taranja fototra atletisma”, hoy ny solon-tenan’ny atletisma Rasoazanany Solange.
 51 no medaly hiadivana ato amin’ity taranja ity. Ao anatin’izay fanomanana izay ihany, ho avy eto Madagasikara ny Vaomiera Iraisam-pirenena misahana ny Lalao na CIJ, ny 16 may izao, hanatanteraka fivoriana andiany faharoa ao anatin’ny fanomanana ny lalao. Ny 18 ka hatramin’ny 21 may 2023 no hatao ny fivorian’ny CIJ, anisan’ny anton-diany ny hijery ny fanatanterahana ny toromarika natao tamin’ny diany voalohany tamin’ny volana Desambra.
Partagez :
Njaka Randria