« Fanavaozana sy ny fanamafisana ny fitantanana ny fonja” : fanamby lehibe miandry ny Tale jeneralin’ny fintantanana ny fonja vaovao.

  • 7 juin 2023
Tafiditra ao anatin’ny fanamby napetraky ny minisiteran’ny Fitsarana ny fanajana ny fandraharahana ny fonja, ny fanajana ny fitsipi-pitondratena sy ny fanajana ny lalàna mifehy ny fonja indrindra ny ady amin’ny kolikoly. Eo koa ny fametrahana ny filaminan’ny fonja, ny famerenana ireo voafonja ho eo amin’ny fiarahamonina ary ny famelomamaso ireo tobim-pamokarana.
Nanentana ny mpiantsehatra amin’ny fandraharahana ny fonja ny minisitry ny fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, nandritra ny lahateniny. “Mpitarika fotsiny izy, ianareo no hanohana azy satria ny asan’ny fandraharahana ny fonja dia tsy maintsy hifandrimbonana. Ny tao-trano tsy efan’ny irery. Aoka hanao ho tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja ny rehetra hanatanterahana ny tanjona” hoy ny minisitra.
Notontosaina ny 6 jona ny lanonana ara-miaramila nandraisan’ny tale jeneralin’ny fintantanana ny fonja vaovao ny fibaikona.
Partagez :
Sissie Raveloson