“Fanarenana”: fiofanana ho an’ ireo mpitsabo mpanampy eny anivon’ny fonja.

  • 9 mai 2023
Nahazo fiofanana momba ny fahasalamana miompana amin’ny filan’ny fonja ireo mpitsabo mpanampy miasa amin’ny toeram-pamonjana eto Madagasikara.
Ity fiofanana ity dia anatin’ny fanatanterahana ireo asan’ny Tetikasa MIKOLO AINA (Douleurs Sans Frontières), izay vatsian’ny Agence Française de Développement (AFD) vola, amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa « FANARENANA » eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Ny tanjona dia ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja amin’ny alalan’ny fiantohana ny fikarakarana ara-pahasalamana tsara ho an’ny voafonja.
Ahitana mpitsabo mpanampy 25 miasa eny amin’ny fonja amin’ny faritra maromaro eto Madagasikara ity andiany faharoa ity ary tanterahina mandritra ny valo andro, miaraka amin’ny ampahany ara-teorika sy azo ampiharina.
Ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Foibe fanofanana ny mpitsabo mpanampy sy ny mpampivelona eto Madagasikara no mikarakara ny fiofanana. Tonga nanatrika izany ny solontenan’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny Fahasalamam-bahoaka.
Fanofanana fahatelo no kasaina hatao amin’ny volana jona ho avy izao any amin’ny faritra hafa.
Partagez :
mialy