Fanapoizinana ara-tsakafo : olona 6 nampidirina hopitaly tany Toliara

  • 20 novembre 2023

Nahitana trangana fanampoizinana ara-tsakafo noho ny fihinanana hazandranomasina misy poizina na ICAM tao amin’ny Hopitaly Be Tanambao, Toliara, Faritra Atsimo Andrefana ny 19 novambra 2023 lasa teo . Olona miisa 6 no voapoizina , vehivavy ny 5 izay nahitana vehivavy bevohoka iray raha toa ka zazakely 09 volana ny iray. Marihina fa ny Fia Lintotse na «banc de poisson » sy Fia Amboramasaky na trondro kely no nohanin’izy ireo.

Arahina maso akaiky ny fivoaran’ny fahasalaman’ireo marary ary hita fa efa nisy fahatsarana ny fahasalaman’ireto farany.

Manentana araka izany ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny jono sy ny toe-karena manga ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana mba hanadio tsara ny trondro alohan’ny handrahoana azy. Nampitandrina koa izy momban’ireo karazan-trondro tsy azo ho hoanina indrindra fa amin’izao vanim-potoana mafana izao.

Partagez :
Mahandry