Fanaparitahana laza adina Bakalorea : telo ny voasambotra tao Morondava

  • 22 juillet 2023
Tratra ny olona nanaparitaka laza adiny Bakalorea tao Morondava. Olona tompon’ny kaonty Facebook « Tokako Tiko Olivie » no tomponantoka tamin’ny fanaparitahana azy io. Nisy olona roa hafa koa voasambotra niaraka taminy.
Laza adina efa miaraka amin’ny valiny no naparitaka tao anatina vondrana fijerena sarimihetsika mamoafady anaty tambajotra, araka ny fanazavana voaray.
Nanome toromarika ny mpikaroka fandikan-dalàna rehetra ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Morondava nitadiavana iray tomponantoka tamin’ity tranga ity. Mbola ao anatin’ny fikarohana ny tena niandohany ny tomponandraikitra; ary mitohy hatrany ny famotorana.
Miara-miasa ny Fitsarana sy ny mpitandro filaminana misahana ny heloka ana habaka (Cybercriminalité), ary ny mpikaroka fandikan-dalàna amin’ny fandraisana andraikitra tandridy azy avy manoloana ity tranga fanimbana ny ho avin’ny zaza malagasy ity.
Partagez :
Mahandry