Spread the love

Hankalaza voalohany ny ” Androm-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty” i Madagasika amin’ny 26 novambra ho avy izao. Ny lohahevitra entina hankalazana izany dia ny hoe “fanabeazana mampiaty, samihafa mifandray, mitovy zo, miara -beazina ho soa. Tanjona ny tsy hisian’ny fanilikilihana intsony ary ny fitovian-jon’ ny olona rehetra na any an-tsekoly na eo anivon’ny fiarahamonina.

Tsy ny olona manana fahasembanana ihany no voakasiky ny fanabeazana mampiaty fa ao koa ny olona marefo dia ny ankizy sy tanora nitsoaka fianarana andaharana na tsy tafiditra an-tsekoly mihitsy, ny tanora sy ankizy vavy niteraka aloha, ny ankizy voafonja, ny ankizy sy tanora avy amin’ny fianakaviana sahirana ary ireo any an-dakilasy manana olana amin’ny fanovozana fahalalana.

Hetsika hatao mandritra io fankalazana io ny fanentanana sy fandresen-dahatra ny olona rehetra hanana fijery mitovy amin’ny fampiatiana amin’ny alalan’ny fampiratiana hotohizana fifanankalozan-kevitra. Hotetezina koa ny minisitera telo misahana ny fanabeazana hampitoviana izay fomba fijery izay. Efa misy efitrano fianarana manaraka ny filàna na dia mbola mila ezaka goavana aza hoy ny talen’ny fanabeazana , Mamba Serge Dieudonné.

Mpampianatra miisa 3449 no efa nisitraka fiofanana momba izany hoy hatrany ity tale ity, ary sekoly manodidina ny 282 no nisitraka ny fanabeazana mampiaty.

Laisser un commentaire