Spread the love

Nomena fitaovana ireo ”Equipe locale de secours” izay rafitra misahana ny tandindon-doza sy ny loza eny anivon’ny fokontany. Fokontany miisa 20 eto Antananarivo no nisitraka izany. Ireo no fokontany iasan’ny tetikasa fampihenana ny loza  an-tanàn-dehibe. Hita ao amin’izany ny mégaphone, radio, sifflet, fanamiana isan-karazany.

Voafaritra ao anatin’ny vinam-pitantanan’ny fitondram-panjakana sy ny kaominina Antananarivo renivohitra ny fijerena manokana ireo tanàna tena misy tondra-drano be indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra. Fiaraha-miasa amin’ny Croix Rouge Malagasy sy ny Croix Rouge Allemand no nahafahana manao izany.

Nomarihan’ny tomponandraikitra  fa samy manana ny mahamarefo azy ireo fokontany tsirairay ka mba hahafahana miomana mialoha amin’ny mety ho fiakaran’ny rano na fihotsahan’ny tany sns… no nanaovana izao.

Laisser un commentaire