Fampielezan-kevitra: vonona ny fandaminana sy toromarika rehetra, hoy ny CENI

  • 9 octobre 2023

Hanomboka rahampitso talata 10 oktobra 2023 ny fampielezan-kevitra ho an’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao eto Madagasikara ny 9 novambra izao. Ny 7 novambra vao hifarana izany fampielezan-kevitra izany, mba  hanajana ny fahanginana mialoha ny fifidianana ny 8 novambra.

Efa milamina ny toromarika rehetra momba ny  fandrindrana izany, hoy ny filohan’ny CENI, Dama Andrianarisedo androany. Anisan’izany ny fidiran’ny kandida tsirairay amin’ny haino aman-jerim-panjakana; ny takelaka fametahana petadrindrina manerana ny Nosy; ny fandraisan’ny tomponandraikitar eny ifotony fangatahana fahazoan-dalana amin’ny famoroam-bahoaka sy ny maro hafa.

Efa eo am-pelatanan’ny CENI koa ny kopian’ny fanomezan-dalana ho an’ny candida nangataka hampiasana angindimby. Hajaina, hoy ny filohan’ny CENI, ny fitovian’ny herijika ho an’ny kandida tsirairay.

Ankoatra izay, nampahatsiahivina teto ny tokony tsy hisian’ny fifandranitana sy ny tokony hanajana ny lalàna. Anisan’izany ny tsy fahafahana mampiasa fitaovana sy fahefam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra.

Partagez :
Romuald