Fampanarahana toetr’andro ny fitsidihana ny Rovan’i Madagasikara : azo jifaina ao amin’ny tranonkalan’i Ticketplace ny tapakila manomboka izao

- 23 août 2023
Azo jifaina amin’ny tranonkala www.ticketplace.io manomboka izao ny tapakila ho an’ny mpitsidika ny Rovan’i Madagasikara. Vao miditra amin’io tranonkala io dia hita avy hatrany ny toro lalana ahafahana misafidy ny tapakila ilaina, na ho an’ny ankizy izany na olon-dehibe, na vondron’olona na koa teratany vahiny. Maoderina tanteraka ny tapakila; ary misy fomba anamarinana azy eo am-pidirana mba hialana amin’ny mety ho hosoka. Azo atao koa anefa ny mividy tapakila eny an-toerana.
Natomboka androany 23 aogositra 2023 ny fampiasana ity tapakila maoderina ity. Nijery izany ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy. Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina no nahafahana manao izao fampanarahana toetr’andro ny fomba fidirana amin’ny Rova izao. Haharitra enim-bolana ny andrana, izay tsy andoavana vola amin’ny orinasa mpiara-miasa.
Hatramin’ny nisokafan’ny Rova’i Madagasikara ny 19 jona 2023, manodidina ny 800 hatramin’ny 1000 isanandro ny mpitsidika. Mahatratra 2000 izany rehefa faran’ny herinandro. Ho an’ny fampisehoana ao amin’ny kianja Masoandro kosa dia 1400 ny mpijery betsaka indrindra tonga.
Maro ny teratany vahiny sy malagasy avy amina faritra samihafa liana amin’ny fitsidihana ny Rova. Efa mivonona amin’ny habetsaky ny mpitsidika koa ny tomponandriakitar ao an-katok’izao Lalaon’ny Nosy ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao. Tafiditra amin’ny zotram-pizahan-tany iaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Fizahan-tany ny Rova, izay hoe anisan’ny ao anatin’ny “City tours”.