Erick Manana & Ralah’Trio: hofaranana amin’ny seho tokana eto an-tanindrazana ny fitetezana an’i Eoropa tao anatin’ny telo volana

- 6 juin 2023
Sarangan-taona tsy mitovy, gadon-kira isan-karazany ahitana ny hira gasigasy sy jazz ary mozika mivelatra amin’ny gadona samihafa no nampiarahin’ny mpanakanto Erick Manana sy ny tarika Ralah’Trio nentina nitety an’i Eoropa tao anatin’ny telo volana. Hetsika izay nanaporofoana fa manan-talenta sy afaka miaka-tsehatra avo lenta ny tanora malagasy, ary mahasarika ny maro ny kanto maha gasy lokoina amin’ny talenta sy mozika maoderina.
Hofaranana amin’ny alalan’ny seho tokana hatao eto an-tanindrazana io fampisehoana nitetezana toerana maro tany Eoropa io. Hatao etsy amin’ny CC-ESCA Antanimena ny sabotsy 10 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro izany. Hivoaka manomboka ny talata 6 jona ny tapakila famandrihan-toerana. Ny andron’ny sabotsy kosa no ho azo raisina eny an-toerana ny tapakila tsotra.
46 taona niakarana an-tsehatra i Erick Manana, mpihira sady mpamoron-kira. Hararaotina, hoy izy, ny fotoana ahavelomana sy ny tombony ananana, mba enti-manandratra ny tanora aty aoriana. Niainga tamin’ny talentany sy ny toetra maha olombelona mahasarika ao aminy no nifantenana ireo tanora miara-miakatsehatra aminy ireo.
Ho an’ny tarika Ralah’Trio, izay ahitana an’i Tsanta sy Ranto ary Titan, ohatra, dia sady afaka namoron-kira sy nampiditra ny hirany tao anaton’ny raki-kira (Album) havoaka miaraka amin’i Erick Manana no afaka nampivelatra ny fifandraisana sy ny fampisehoana ho azy manokana nandritra ity fitetezana an’i Eoropa ity.
Romuald