Spread the love

Hitondra fanovana sy fanavaozana lehibe eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny fandaharan’asa manokana momba ny fampisakafoana ny ankizy vao nosoniavin’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara Rajoelina Andry, ary niarahany nisalahy tamin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena androany 6 oktobra. 18 miliara ariary ny vola atokana amin’ny fampisakafoanana ny ankizy eny amin’ny fanabeazana fototra ( EPP), ambaratonga voalohany (CEG) ary Lisea miankina amin’ny fanjakana manerana an’i Madagasikara. Hitombo avo dimy heny ny isan’ny ankizy hisitraka ny fampisakafoana, raha 103.442 izany teo aloha dia ho lasa 525.424 izany noho ny fandaharanasa.

Hanjary 1064 ny sekoly hisitraka ny fampisakafoana manerana ny faritra eto Madagasika, niakatra 866 ny ao Anosy ary lasa 389 ny ao Androy. Tsy maintsy mandefa ny sakafo manerana an’i Nosy ny fanjakana teo aloha. Mampitombo ny vidin’ny sakafo anefa izany. Tsy tonga eny amin’ny toerana tokony andefasana azy ny sakafo matetika, very an-dalàna ary misy manodikodina. Nitentina 680 ariary ny vidin’ny sakafon’ny mpianatra iray teo aloha . Hidina 214 ariary hatramin’ny 577 ariary izany amin’izao. Noho ny fanavaozana, tsy ny fanjakana intsony no handefa ny sakafo. Alefa eny anivon’ny feffi na fikambanan’ny Ray aman-dReny ny vola. Izy ireo no mitantana azy araka ny lamina rehetra mamehy ny fitantanam-bolam-panjakana. Alefa eny amin’ny tahirim-bolam-panjakana ny vola, mandalo “contrôle financier” ary atao “visa” eny amin’ny tahirim-bolam-panjakana.

Laisser un commentaire