Haverina manomboka ny volana desambra izao, ny ”visite de conformité” hatao amin’ireo fiara fitateram-bahoaka eto Antananarivo. Eny amin’ny OMAVET Ampasapito no hanaovana izany, noho ny fanamboarana ara-tekinika eny Antsakaviro, izay fanaovana izany teo aloha.
Tapaka nandritra ny fihaonan’ny fikambanamben’ny mpamily fiarakaretsaka sy ny kaominina Antananarivo renivohitra izany. Tanjona ny hanatsarana ny fitaterana sy hanenana ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra. Anisan’ny tapaka nandritra ny fivoriana koa fa tsy azo atao intsony ny manisy dokam-barotra amin’ireo fiara fitaterana ireo.
Ankoatra izay, mijanona ho 4 isaky ny seza ny isan’ny mpandeha, ary tohizana hatrany ny fampiasana ”gel” sy ny fanaovana aro vava-orona hisorohana ny fifindran’ny Covid-19. Manana vina hampiofana ny mpamily fiarakaretsaka ny kaominina Antananarivo renivohitra, hahamatianina kokoa ny sehatry ny fitaterana an-dalambe.