Doanihely : nahazo EPP manarapenitra

  • 22 mai 2023

Notokanan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr Marie Michelle Sahondramalala, androany Alatsinainy 22 mai 2023 ny tranon-tsekoly EPP manarapenitra tao amin’ny Fokontany Doanihely kaominina ambanivohitr’Ampanefena.

Mpianatra 250 no mianatra eto amin’ny EPP Doanihely, 6 mianadahy ny mpampianatra mampiodina ny sekoly.

Mipaka aty ifotony ny asa fampandrosoana entin’ny fitondrampan-jakana tarihin’ny filoha Andry RAJOELINA hoy ny Minisitra nandritra ny fitokanana ity tranon-tsekoly manana efitra roa miaraka amin’ny fitaovam-pianarana manarapenitra ity izay efa misy boky sy dabilio. « Tafiditra amin’ny fanatanterahana ny velirano faha -4 ny filoham-pirenena ny fahavitan’izao foto-drafitrasa manarapenitra izao » hoy ny hatrany ramatoa minisitra.

Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 1968 no nahavitan’ny tranon-tsekoly EPP teto Doanihely ka izao taona 2023 izao indray vao nahazo trano vaovao avy tamin’ny fitondrampan-jakana.

Partagez :
Mahandry