Cosfa : « 40 taona namiratra, 40 taona mankamin’ny fahombiazan’ireo taona rehetra mbola hifandimby »

  • 26 octobre 2023

Nomarihina  tamin’ny alalan’ny diabe sy fanatanjahan-tena androany 26 oktobra tetsy amin’ny kianjan’i Betongolo ny fankalazana ny faha 40 taonan’ny COSFA. Nisy ny fiarahabana manokana nataon’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa ny mpikambana,  ny mpitantana sy mpanabe nifandimby sy nanabe voa ny klioba. Eo koa ireo mpiandraikitra mbola anatin’ny fitantanana ankehitriny

Raha tsiahivina , maro amin’ireo atileta avo lenta sy manana ny lazany no nivoaka avy amin’ny klioban’ny Foloalindahy ary tsy latsa-danja amin’izany ny COSFA. Efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara in-4 nisesy, no efa tompondakan’i Afrika sy teo anivon’ny Ranomasimbe Indiana; ka maro ireo anaram-boninahitra efa nisalorany. Anisan’ireo mandafitra ny ekipam-pirenena hatrany ny atiletan’ny COSFA nandritra izay 40 taona izay. Maro tamin’ny atleta eo anivon’ny COSFA koa no nibata ny medaly nandritra ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 notontasaina teto Madagasikara farany teo.

Izay 40 taona lasa izay no mampitodika sahady hibanjina ny 40 taona ho avy manaraka indray.  Tanjona hapetraky ny minisitera sy ny klioba ny  hitazonana izao toerana sy ny laza ahafantaran’ny rehetra ny COSFA hatramin’izay.

Partagez :
Sissie Raveloson