Hotakiana mandritra ny Fihaonamben’ny mpivondrona ao amin’ny CoP26 ny famatsiam-bola mitentina 100 tapitrisa dolara isan-taona, harotsaka ao anatin’ny Tahirimbola ”Fonds Vert Climat”.
Fampanantenana nataon’ireo firenena vaventy tamin’ny CoP21 tany Parisy izany. Horesahana mandritra io fotoana io ihany koa ny paikadin’i Madagasikara hiatrehana ny fiovan’ny toetrandro, izay nanaovana fanadihadiana isaky ny sehatra tsy miankina avy.
Fahefatra amin’ny firenena marefo indrindra manerana izao tontolo izao amin’ny fiovan’ny toetrandro no misy antsika.
Eo an-dalam-pametrahana ny politikam-pampandrosoana amin’ny famokarana etona ambany indrindra ihany koa i Madagasikara ankehitriny, hanampiana ireo firenena hafa mpandoto amin’ny alalan’ny hazo samihafa misy eto amin’ny firenena sy ny fambolena karazan-kazo. Horesahina any koa ny fivarotan’i Madagasikara etona amin’ireo firenena mpandoto izany.
Androany dia nisy ny fihaonan’ ireo mpisehatra voakasiky ny fiovan’ny toetrandro, nampahafantarana ireo adisisika hataon’i Madagasikara mandritra ny Fihaonamben’ny mpivondrona andiany faha26, izay hotanterahina any Glasgow, Ecosse, manomboka ny 1 novambra hatramin’ny 12 novambra izao.