Ny volana aogositra teo no nahazo vaovao mari-pototra momba ny fisiana siramamy mampiahiahy ny zandarmaria faritra Atsinanana. Taorian’io dia nirosoana avy hatrany ny fikarohana rehetra ka ny 3 novambra no sarona ireo gony miisa 18 nisy siramamy sy zava-mahadomelina mahery vaika na cocaïne milanja 600kg.
Rehefa natao ny fanamarinana dia fantatra fa “cocaïne de base” ireto sarona ireto.
Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ireo zandary nisahana ny famotorana ka olona iray izay fantatra fa mpiray petsapetsa amin’io raharaha io no voasambotra ary naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fiakarany fitsarana. Mbola karohina ny namany izay heverina ho atidoha nikotrika ity trafika ity.
Niarahan’ny zandarmaria faritra Atsinanana sy ny sampana fikarohana heloka bevava Antananarivo ny fanadihadiana rehetra. Nilaza ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmariam-pirenena (SEG) fa misy fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana frantsay sy amerikanina ny fanadihadiana sy fikarohana momba ity raharaha ity, satria araka ny vokatry ny fanadiahadiana dia mandalo fotsiny eto Madagasikara ireto zava-mahadomelina ireto ary efa fantatra ny toerana saika handefasana azy.
Mandray anjara mavitrika amin’ny ady amin’ny fivezivezen’ny zava-mahadomelina mahery vaika ny firenena malagasy hoy ihany ny SEG. Misy ifandraisany amin’ny trafika toy izao ny resaka famotsiam-bola sy famatsiam-bolan’ireo mpampihorohoro iraisam-pirenena. Manao ezaka manokana amin’izany ady izany ny zandarmaria ; matihanina ny ezaka fikarohana fandikan-dalàna ataon’izy ireo ary ny fampitam-baovao haingana sy mari-pototra no ahazoana ny vokatra toy izao.