Spread the love

Manodidina ny 100 ny fitarainana voarain’ny vaomiera mahaleotena misahana ny zon’olombelona tamin’ity taona ity ka ny ady tany, ny raharaha vono olona sy herisetra mahakasika olom-panjakana, no ankamaroany, hoy ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny zon’olombelona, Seta Andriamarohasina.

Raha ny eto Madagasikara dia ny mikasika ny andininy faha 17 na ny zon’ny fananan-tany no tena azahoana fintarainana betsaka indrindra hoy izy. Tsy andoavam-bola ny fametrahana fitarainana eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny zon’olombelona, manampy amin’ny famahana ny olana izy ireo toy ny fandraisana andraikitra eo no ho eo, fijerena ifotony tsy mampilaza amin’ny toerana nahazahoana fitarainana, mba hialàna amin’ny kolikoly na fifampiarovana eo amin’ny sampan-draharaha isan-tsokajiny ka manitsakitsaka ny zon’olombelona.

Laisser un commentaire