CENI: niakatra 3,42% ny isan’ny mpifidy tafiditra anaty lisi-mpifidianana vonjimaika

  • 12 février 2024

Niampy 377.929 ny isan’ny mpifidy voarakitra eo anivon’ny CENI raha ny antontanisa vonjimaika voaray avy eny anivon’ny fokontany.

Lasa 11.421.765 ny isan’ny mpifidy amin’izao raha 11.043.836 izany tamin’ny fifidianana Filohampirenena farany teo. Nihoatra ny vina napetraky ny CENI tany ampiandohana io taham-piakarana io, raha 2,50% izany dia tafakatra 3,42% izany amin’izao hoy ny filohan’ny CENI Andrianarisedo Dama Arsène androany 12 febroary nandritra ny valandresaka nifanaovana tamin’ny mpanao gazety.

Miisa 69.245 ireo mpifidy nesorina tao anaty lisi-mpifidianana. Tafiditra amin’izany ireo maty ary ireo very zo. Anisan’ny nampianatra ny lisan’ny mpifidy ireo vao feno taona. AO koa ireo nifindra monina ary misy ireo very zo teo aloha nivoaka ny fonja ka nahazo fahafahana hiditra ao anatin’ny lisitra.

Niatomboka tamin’ny voalohan’ny volana desambra ary hifarana ny faha 15 ny volana febroary ary faranana tanteraka amin’ny faha 15 may ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. Ny 15 febroary hatramin’ny faha 28 febroary ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy. Aorian’io dia manana 20 andro ny mpifidy rehetra hanaovany fanamarihana, fanitsiana ary fitarainana a Tsy mikatona tanteraka amin’io fotoana io fa mbola heverina eny amin’ny fokontany, ahafahan’ny mpifidy izay mbola tsy tafiditra hiditra ao anaty lisitra.

Partagez :
Sissie Raveloson