« Branchement mora » : manomboka ny fametahana ny kaontera.

- 23 mai 2023
Atomboka amin’ity herinandro ity ny fametahana kaontera « Branchement Mora » ho an’my mpanjifa efa nahaloa « devis » eto Antananarivo. Hotanterahana manomboka amin’ny herinandro ambony kosa ny an’ny faritra hafa hoy ny minisitry ny Angovo sy Akoran’afo, Solo Andriamanampisoa ny 22 may nandritra ny fitsidihina nataony teny Ankadievo Alasora.
Efa tonga eto Madagasikara tamin’ny herinandro lasa ny fitaoavana » Branchement Mora » miisa 5.000. Ho avy afaka 3 volana ny 2 alina ary ho avy isam-bolana ny ambiny.
Raha tsiahivina, tokantrano 2 hetsy no tanjon’ny fanjakana hisitraka herinaratra avy amin’ny alalan’ny » branchement mora ». Ahitana kaontera miaraka amin’ny kits toy ny takamoa LED, prise ahafahana mandefa fahitalavitra kely miaraka amin’ny fitaovana hafa tsy mandany herinaratra ny « branchement mora ».
Namafisin’ny minisitra fa natao ho an’ny sarababem-bahoaka ny « Branchement Mora ». Tsy mitaky fahazoan-dalana manorina » permis de construire » fa rehefa misoratra amin’ny fokontany dia ampy.
Jifaina amin’ny vidiny mirary 30.000 ariary. Misy fahana 10Kwh amin’ny voalohany ary rehefa lany dia handoavana 9500 ariary isam-bolana.