Bongolava : mizana miisa 29 sy vatomizana miisa 41 no tsy nahafeno fepetra

  • 5 juillet 2023

Ny 27 Jona ka hatramin’ny 01 Jolay 2023 lasa teo dia nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny kaominina Tsiroanomandidy sy ny kaominina Fihaonana  disitrikan’i Tsiroanomandidy faritra Bongolava ny ekipan’ny DRICC Bongolava nanatanteraka fitsarana fitaovam-pandanjana.

Tamin’izany no nahatratrarana mizana miisa 29 sy vatomizana miisa 41  tsy nahafeno fepetra ka nampanamboarina avy hatrany teo amin’ireo mpanamboatra nahazo fankatoavana avy amin’ny MICC.

Partagez :
Mahandry