Birao fandatsaham-bato noforonina : « Tsy mitombina », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny CENI (VIDEO)

- 18 octobre 2023
Mitondra fanazavana mikasika ny resaka mandeha momba ny fisian’ny birao fandatsaham-bato noforonina (fictif) ny filohan’ny Voamieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), Dama Andrianarisedo Arsène. « Tsy mitombia » izany, hoy izy, « satria tsy voaporofo ». Heverina fa ny fifangaroan’ny fahazoan’ny olona ny antsoina hoe « biraom-pokontany » sy ny « birao fandatsaham-bato » no mety hahatonga ny olona sasany hihevitra fa misy izany.
« Ny biraom-pokontany anefa tsy voatery ho birao fandatsaham-bato » araka ny fanazavana. Rehefa mihoatra ny 700 ny mpifidy voasoratra amin’ny fokontany iray dia manokatra birao fandatsaham-bato iray hafa ny eo anivon’ny CENI. Mety hisy, araka izany, ny birao fandatsaham-bato iray na maromaro ao amin’ny fokontany iray.