Betanatanana : karatany 300 mahery no nozaraina

- 1 juillet 2023
Karatany miisa 300 mahery no nozaraina tao amin’ny kaominina Betanatanana, distrika Maintirano, faritra Melaky, nandritry ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny herinandron’ny karatany androany 30 jona 2023.
Ny hahafahan’ny malagasy manana taratasy ara-dalàna amin’ny toerana hamboleny sy honenany no tanjon’ny fitondram-panjakana amin’izany.
Tonga nanatrika izany ny kolonely Ndriamihaja Livah Andrianatrehina, minisitry ny Asa Vaventy sady mpiahy ny faritra Melaky. Nambarany fa “2 tapitrisa mahery ny karatany fanambin’ny fanjakana havoaka mandrapahatongan’ny faran’ny taona 2023”. Fantatra mantsy fa 80 isan-jaton’ny mponina no mipetraka amin’ny toerana tsy misoratra aminy
Sissie Raveloson