Bakalorea 2023 : nahitam-piakarana ny isan’ireo mpiadina

  • 17 juillet 2023

Niakatra 12,5 isan-jato ny isan’ireo mpiatrika ny fanadinana Bakalorea tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taona lasa. Miisa 215.630 ireo mpiadina manerana ny nosy araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Ny sokajy literatiora no betsaka indrindra, miisa 151.904 ; 43.337 kosa ny sokajy siantifika, 10.963 ireo sokajy teknika ary 9.426 ireo sokajy OSE.

Manamafy ny minisitera fa tsy misy atahorana ny hivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana. Laza adina diso ireo miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera araka ny voalazan’ny minisitera hatrany. Hisokatra ny fanadihadiana manoloana ireo manaparitaka laza adina diso na mitady izany laza adina izany araka ny nambaran’ny Commandant du groupement de la Gendarmerie Analamanga.

Nanomboka tamin’ny 7ora sy sasany maraina no niatrika ny taranja folosofia ireo mpiadina. Ny tapany hariva kosa no hiatrika ny taranja Malagasy izy ireo.

Maro ireo mpiadina no mbola nanatrika ireo « cours d’appui » ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisy kosa ireo nisafidy hanomana ny fiatrehana ny fanadinana tany an-tokantranony tsirairay avy.

Partagez :
Mahandry