“Back to school and learning” : ainga handrisihina ny ankizy hiverina anya m-pianarana

  • 27 juillet 2023

Tontosa omaly 26 jolay 2023 tao amin’ny fari-piadiadim-pampianarana Betroka ny fampiofanana mikasika ny “Back to school and learning” izay nataon’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

Ny “Back to School and Learning” izay paikady napetraka afahana mandrisika sy mamerina ireo ankizy an-tsekoly, fa indrindra ho fitazomana sy fanentanana ireo efa ao.

Maro ireo hetsika atao amin’ izany toy ny fampiofanana ireo mpampianatra sy mpanabe, eo ihany koa ny famporisihana ireo ray aman-dreny hifantoka amin’ny lanjan’ny fanabeazana izay miantoka ny hoavy mamiratra ho an’ny zanany ary ny ny fampitaovana ireo mpianatra.

Ho an’ny CISCO an’ny Betroka manokana : Talen-tsekoly miisa 30, mpampianatra miisa 30 avy amin’ny sekoly voafantina misy garabola no nisitraka izany fampiofanana izany

Partagez :
Mahandry