ATT Ampasampito : Hifindra eny amin’ny Gara Soarano.

- 25 juillet 2023
Hifindra toerana eny amin’ny Gara Soarano (Madarail) ny Antokon-draharaha misahana ny Fitanterana an-tanety (ATT) eny Ampasampito manomboka ny Alatsinainy 31 Jolay.
Eny no handraisana an’ireo izay hikarakara “licence d’exploitation”; “autorisation spéciale”; hametraka antotan-taratasim-panadinana ahazaona “permis de conduire” sy ireo manana raharaha mikasika ny asa fitanterana an-tanety.
Misokatra ny Alatsinainy hatramin’ny Zoma, amin’ny 8 ora hatramin’ny 4 ora tolakandro ny birao.
Carinah Mamilalaina