Atrikasa fangalana ny antontanisa rezionaly momba ny jono sy ny fiompiana anaty rano.

  • 16 mai 2023
Manatanteraka atrikasa fangalana ny antontanisa rezionaly momba ny jono sy ny fiompiana anaty rano etsy Ivandry nanomboka ny 15 hatramin’ny 17 Mey 2023 ireo firenena lehibe aty amin’ny faritra atsinanana sy atsimon’i Afrika izay hiarahana amin’ny « Interafrican bureau for animal resources » eo anivon’ny vondrona Afrikanina.
Tanjona ao anatin’izany ny hampitoviana ny fomba fakana ireo antontanisa mikasika ny jono sy fihariana anaty rano avy amin’ireo firenena maro eto Afrika mba hahafahana manamora ny fikirakirana izany eo anivon’ny Vondrona Afrikanina ary hahafahana manaparitaka izany amin’ny fanaovana fampitahana. Ho fantatra amin’ny alalan’izany ny isan’ny mpiompy trondro eto Madagasikara amin’izao, ny trondro vokariny isan-taona, sy ny lalan’ny vokatra azon’izy ireo.
Firenena maro no mandray anjara amin’ity atrikasa ity, miaraka amin’ireo mpanao fikarohana ny fiarahamonim-pirenena ary ireo teknisinanina maro samihafa.
Partagez :
mialy